Télécharger le fichier original (Mémoire de fin d’études)
Fanamarihana ankapobeny
Amin’ny maha malagasy ny fiteny ao Fandriana dia toetra maromaro no heverinay fa iombonany amin’ny fitenim-paritra hafa manodidina azy, toy ny merina ao avaratra, ny betsimisaraka ao atsinanana, ny sakalava ao andrefana, ary ny betsileo atsimo sy afovoany ao atsimo. Ato amin’ity fizaràna faharoa ity dia ny fiasan’ny feon-teny ao Fandriana no hodinihina. Harosonay aloha ny fifandraisan’ny fiasan’ny feon-teny ao Fandriana sy ny fiasan’ny feon-teny malagasy mahazatra ny maro, dia ny teny malagasy ôfisialy vao harosonay mifanesy ny fandinihana ny fiasan’ny renifeo sy ny zana-peo ao amin’ny fiteny anaovanay fandinihana.
Ny iombonan’ny fiasan’ny feon-teny ao Fandriana sy ny fiteny malagasy ôfisialy
Ny fiteny betsileo avaratra no heverinay fa nahatahiry kokoa ny fiteny malagasy ôfisialy rah any fiteny merina no nolazaina hatramin’izay. Eo amin’ny fampitahana ny fiteny dia voasokajy ho ao anatin’ny fiteny misy ny merina izy io, fiteny izay noheverina fa manakaiky indrindra ny teny malagasy ôfisialy hatramin’izay, araka ny ahafantaran’ny maro azy. Misy anefa ireo tranga iavahany amantarana ny maha betsileo azy. Efa voalaza tao amin’ny teny fampidirana ny mahakasika ny sokajy misy ny fiteny bl av izay anaovanay fandinihana. Raha ny fiasan’ny feon-teny tsirairay miasa ao Fandriana no dinihina dia maro amin’izy ireo no mitovy fanononana amin’ny an’ny teny malagasy ôfisialy, iombonana na iraisana, indrindra eo amin’ny toerana na fotoana ivorian’olo-maro toy ny any am-piangonana, ny famadihana, fahoriana, fety samihafa. Amin’ireo sehatra ireo dia miezaka izay miteny (mpitoriteny, mpikabary….) hiteny amin’ny fiteny malagasy iombonana. Araka izany dia heno ao avokoa ny feon-teny rehetra misy amin’ny malagasy iombonana. Hoy anefa ny Ntaolo malagasy: “Saonjo iray lohasaha tsy ilaozan’izay iray hamarara”. Izany hoe: na dia miezaka aza ny mpandaha-teny hiresaka amin’ny fiteny malagasy iombonana dia heno eny antsefatsefany eny ny maha Betsileo avy any Fandriana azy.
Amin’ny ankapobeny dia fandre ao Fandriana ny ampahany betsaka amin’ny hasim-peo misy amin’ny teny malagasy iombonana, ireo voalaza ao amin’ny § 1.2, ka ampahatsiahivina eto : [p, b, m, mb, f, v, t, d, n, nd, l, r, tr, dr, ndr, s, z, ndz, ts, dz, k, g, ŋ, ŋg, h, i, e, a, u, o]. Ohatra maneho
Io raha atao soratra manara-tonona ny endrik’ilay ampahan-kabary. Mba hampazava bebe kokoa an’io ohatra io dia hadikanay amin’ny fanoratana mahazatra amin’ny teny malagasy izy io, araka izay nahenoana ny feo, mba hahitana ny zavatra mety maningana miohatra amin’ny teny ôfisialy, amin’ny maha fitenim-paritra azy. Natao ity fanoratana faharoa ity mba hahamora vakina ny ohatra satria mety misy ny ho sahirana amin’ny famakiana ny soratra ara-peo.
Azafady moa! Vôloha-pitanenana, zaza no miteny. Ao ny Ray aman-dReny, ao ny zoky ao ny zandry mahaleo mahalasana. Miala tsiñy topokolahy, miala fondro topokovavy. Zaza no hiteny ka dia miala tsiñy aminareo zokibe toa Ray. Refa azo ny mahaleova mahatondrà, vôlohan-dresaka holazaiko, is aorana ny ao ambony a! izy no nahary, izy no nitatana, izy no nivimbina, fa matoa toy izao de noho ny fitiavany atsika, tafahaoña eto isika mianakaby, noho ny fitatanan’ny ao ambony. Dera sy laza ho azy, fiadanana ho atsika zanañy! Isaorana ihany koa ny fanjakana satria izy no vovoñana iadian’ny lohany, izy no vovoñana iadian’ny tafony, voninahitra ho azy !
Enga anie izy hahaleo hahazaka amin’ny tôrana zay n ametrahana azy tsirairay, enga anie hisondrotra voninahitra am’ tôrana nametrahats ika azy! Ny tsiñy omban’ny teo aloha tsy mahazaka ka ombako tsa mahazaka koa. Nefa hoy aho manao hoe : Matoa isika mianakaby tafangona toy izao, afaka anie ny tsiñy.
Araka ny hita eo amin’ny ohatra dia miezaka tokoa ny mpiteny eo imason’olo-maro hiresaka amin’ny fiteny malagasy iombonana. Saingy tsy afaka ny maha Betsileon’ny Fandriana azy. Hisongadina izany fiavahana izany araka ny fanamarihana isan-tokony ao afara ao.
Raha henoina, ohatra, ny nanononan’ny mpiteny ny hoe hoe [hue] ao amin’ny kabary voarakitra an-tsoratra eo ambony, dia hita fa niezaka tokoa izy satria [hua] no fandre amin’ny fiteny andavanandro. Tsy afaka koa anefa ny maha Betsileon’i Fandriana ny mpiteny raha henoina indray ny nanononany ny hoe tafahaona eto isika mianakaby [tafa′hau′ŋetu′sikja′mjanakabi] satria mianakavy [mjana′kavi] no endrika ôfisialy ; nefa mbola ahitana fiezahana hanonona ny teny malagasy iombonana ihany ao, dia ny isika satria raha atao amin’ny fiteny ao Fandriana madio io fehezanteny msy azy io dia izao no tokony ho heno: [tafa′hauŋ′etuw′tsikja′mjana′kabi].
Ny marina iombonan’ny renifeo rehetra
Araka ny efa voalaza ao amin’ny §1.3 dia ny fijerena ny tsinjara toerana sy ny fampisolosoloana no sedra ampiasaina hamantarana ny fiasan’ny feo.
Table des matières
LAHARAN’NY SARINTANY
SARINTANIN’NY DISTRIKAN’I FANDRIANA
LAHARAN’NY FAFANA
Fafana voalohany : Ny renifeon’ny fiteny ao Fandriana
Fafana faha 2: Ny zana-peo tsotra.
Fafana faha 3 : Ny zana-peo sosona
Fafana faha 4 :Fandravonana ny renifeo sy ny zana-peo
Fafana faha 5 : Ny renifeo kentsona tapany tsy migoboka sy ny fanovany
Fafana faha 6 : Ny renifeo [n] sy [ŋ]
Fafana faha 7 : Ohatra fampitahàna
Fafana faha 8 : Ohatra amin’ny fanononana ny [h]
Fafana faha 9 : Ohatra anehoana fa manavaka teny roa ny [h]
Fafana faha 10 : Ny fomba fanononana ny zana-peo sosona [ia]
Fafana faha 11 : Ohatra fanamafisana
Fafana faha 12 : Ohatra maneho ny fahasamihafan’ny fanononana
Fafana faha 13 : Ohatra eo amin’ny fifanovan’ny [ue] sy [ui].
Fafana faha 14 : Ny [ua] mifanova amin’ny [o] .
Fafana faha 15 : Ny [au] mety mifanova amin’ny [o]
Fafana faha 16 : ny fannononana ny [ua] sy ny [au]
LAHARAN’NY KISARY
Kisary voalohany: Ny zana-peon’ny fitenin’i Fandriana.
Kisary faha 2 : Ny fanahafana ao amin’ny zana-peo [ia] amin’ny fitenin’i Fandriana.
Kisary faha 3 : Ny fanahafana ao amin’ny zana-peo sosona [ia] ao amin’ny fiteny merina
Kisary faha 4 : Fifanahafana ao anatin’ny zana-peo sosona [ue]
Kisary faha 5 : Ny firafitry ny zana-peon’ny fiteny merina
Kisary faha 6 : Fifanahafana ao amin’ny [ua]
Kisary faha 7 : Fifanahafana ao amin’ny [au]
FIZAHAN-TAKILA
A- FANAFOHEZAN-TENY
B-FAMANTARANA
TENY MIALOHA
VAKIN’ASA VOALOHANY. FANADIHADIANA
TENY FAMPIDIRANA
FIZARANA VOALOHANYNY HASIM-EO MIASA AMIN’NY FITENY AO FANDRIANA
1.0 Ny fiteny malagasy amin’ny ankapobeny
1.1 Ny hasim-peo
1.2 Fitanisana ny hasim-peo miasa amin’ny fiteny ao Fandriana
1.3 Ny sedra ampiasaina
1.3.1 Ny tsinjara toerana
1.3.2 Ny fampisolosoloana
1.4 Ny renifeo mikatona tapany sy ny mikentsona tapany
1.5 Ny toetry ny hasim-peo
1.5.1. Ny figoboka
1.5.2 Ny fikentsona
1.5.3 Ny .fari-panononana
1.5.4 Ny fisokatra
1.6 Ny toetry ny zana-peo
1.6.1 Ny mombamomba ny zana-peo
1.6.2 Ny toetry ny zana-peo tsotra
1.6.3 Ny toetry ny zana-peo sosona
1.6.4 Ny sokajin’ny zana-peo sosona
1.7 Fanavahana ny renifeo sy ny zana-peo miaraka
1.8 Famintinana ny fizaràna voalohany
FIZARANA FAHAROA. NY FIASAN’NY FEON-TENY AO FANDRIANA
2.0 Fanamarihana ankapobeny
2.1 Ny iombonan’ny fiasan’ny feon-teny ao Fandriana sy ny fiteny malagasy iraisana
2.2 Ny marina iombonan’ny renifeo rehetra.
2.2.1 Ny fijerena ny tsinjara toerana eo amin’ny renifeo
2.2.1.1 Ny renifeo afa-manomboka.
2.2.1.2 Ny renifeo afa-manelanelana.
2.2.1.3 Ny renifeo afa-mamarana;
2.3 Ny renifeo manana fiasa miavaka
2.3.1. Ny renifeo kantsona tapany
2.3.2 Ny renifeo kentsona [ŋ]
2.3.2.1 Ny [ŋ] an-danilany
2.3.2.2 Ny teny mitsaikona sy ny renifeo [ŋ]
2.3.2.3 Ny tsirin-teny sy ny renifeo [ŋ]
2.3.3 Ny vanin-teny farany malefaka –tra
2.3.4 Ny renifeo [h]
2.4 Ny toetra iombonan’ny zana-peo
2.4.1 Ny zana-peo tsotra misy
2.4.1.1 Ny zana-peo tsotra amin’ny tsinjara toerana i0
2.4.1.2 Ny zana-peo tsotra amin’ny tsinjara toerana i1
2.4.1.3 Ny zana-peo tsotra amin’ny tsinjara toerana i2
2.4.1.4 Ny fitambaran’ny zana-peo tsotra
2.4.2 Ny zana-peo afa-manomboka
2.4.3 Ny zana-peo afa-manelanelana
2.4.4 Ny zana-peo afa-mamarana
2.4.5 Ny zana-peo ao alohan’ny tsindry
2.4.6 Ny zana-peo mitondra ny tsindry
2.5 Ny zana-peo manana fiasa miavaka
2.5.1 Ny [ia] mifanova amin’ny [e]
2.5.2 Ny [e] mifanova amin’ny [ai]
2.5.3 Ny oe sy oi mifanova amin’ny [o]
2.5.4 Ny [au] mety mifanova amin’ny [o]
2.6 Ireo feon-tenim-piontanana
2.6.1 Ireo feon-tenim-piotanan-kafaliana
2.6.2 Ny feon-tenim-piontanana manambara alahelo
2.6.3. Ny feon-tenim-piontanan-katezerana
2.7 Famintinana ny fizarana faharoa
TENY FAMARANANA
VAKIN’ASA FAHAROA : AMBOARAN-DAHATENY
RESADRESAKA SY KABARY AM-PAMADIHANA
1-RESADRESAKA
1- a- Tantara tsotsotra mahakasika an’I Fandriana.
1-b- Resadreasaka mahakasika ny Betsileo
1-d- Resaka momba ny fangataham-bady
1-e- Resadresaka tamin’ny tanora
2-KABARY AM-PAMADIHANA
2- a-Kabarin’ny añarandray
2-b-Kabary fanoroñana
2-d- Kabary nañazavana ny niavian’ny lamba.
2- e-Kabary ilazana ny anton-draharaha
2- f-Kabary fitsofan-drano
2- g- Kabary fanazavana ny antondraharaha
2- h- Kabary fisaorana taorian’ny lañonana
BOKYNANOVOZAN-KEVITRA
LAHARAN’NY SARINTANY
LAHARAN’NY FAFANA
LAHARAN’NY KISARY
FIZAHAN-TAKILA